Vaovao

Tontosa soa aman-tsara ny Alahady 05 Jona lasa teo ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny faha-35 taona ny Sampana Fifohazana teo an'ivon'ny Fiangonana. Fanolorana tsangam-pitaratra ho an'ny Fiangonana tamin'izany ary fanomezana certificat ho an'ireo Mpiandry nihoatra ny 05 taona nanaovana ny asa fanompoana.

fanolorana certificaat


Misaotra an'Andriamanitra isika fa tontosa soa aman-tsara ny Alahadin'ny Vita Mariazy teto amintsika. Maro ireo notolorana mari-pahatsiarovana tamin'izany. Nisy ny 5 taona nivadiana ka hatramin'ny 65 taona. Ary nampahery azy ireo ny Mpitandrina ny haharetan'izy ireo amin'ny fanambadiana ary namporisika ny vita mariazy rehetra fa amin'ny herin-taona indray dia misy indray ny fotoam-panamarihana ireo vita mariazy rehetra.



Tontosa soa aman-tsara ny fifampiharaban'ny Samapanasa Asa Fitoriana ny Filazantsara teto amin'ny Fiangonana ny Sabotsy 16 Janoary 2016 folakandro nohon'ny taona vaovao. Ny Mpitandrina ANDRIAMALALA Zo no nitarika ny fotoana ary ny Mofonaina no tenin'Andriamanitra nozaraina (Mar 10.46-52).


 


Misaotra an'Andriamanitra lehibe isika fa tanteraka soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana nakalazana ny Alahadin'ny Mpitandrina ANDRIAMALALA Zo mianakavy.
Hisaorana ihany koa isika mpianakavin'ny finoana rehetra na ny eto an-toerana na ny avy lavitra tamin'ny fahatanterahana an'iny fotoana iny.

Afaka arahinao ato ny vaovao an-tsary mirakitra ny fiarabana an'ny Mpitandrina mianakavy.


Vita soa aman-tsara ny rihana ao amin'ny trano vaovao, ary nosantarina tamin'ny Fetin'ny Taranaka 2015 teo. Ny rihana no vita fa mbola manentana antsika mpianankavin'ny finoana hifanolo-tanana amin'ny famitana ny tranon'Andriamanitra ho LOVA hapetraka ho an'ireo taranaka.


Misaotra an'Andriamanitra fa tontosa soa aman-tsara ny Fetin'ny Taranaka.

 
Mofonaina anio Sabotsy 15 Desambra 2018



Raha tianao ny handray ny mofon'aina amin'ny alalan'ny mailaka isan'andro dia manasa anao hanindry eto.

     
Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara
Synodamparitany Antananarivo Atsimo
Fitandremana Ambohimanoa Alasora Betesda

Ny Mpitandrina
ANDRIAMALALA Zo Solofonirina
Tél : 033 11 454 92 – 032 02 667 38
Mail: zo.andriamalala@fjkm-alasora.mg

Rohy hafa:
FJKM Foibe
Sampana Fifohazana Foibe
FJKM Ampahibato Firaisana