Tantara natao ho an'ny ankizy
MEDALY VOLAMENA
 

Tamin'ny lalao olimpika tany Paris any Frantsa no niseho ity tantara ity tamin'ny taona 1924. Frantsay ilay tompon-daka tamin'izany fotoana izany i Eric ary tamin'ny fifanintsanana rehetra dia niavaka izany tovolahy izany noho ny hafainganam-pandehany. Dia nanantena azy ny rehetra fa ho azo antoka ny medaly volamena ho an'ny tanindrazana amin'ny famaranana.

Dia tonga tokoa ny fotoana hanaovana ny famaranana. Samy nientanentana avokoa ny rehetra: ny mpijery mpanohana azy, ny mpikarakaraka rehetra. Natsoina ny anaran'ny rehetra, saingy tsy teo i Eric, tsy tonga teo amin'ny kianja fihazakazahana akory izy. Fa nankaiza hoy ny rehetra?

Nandrasana, notadiavina fa tsy hita mihitsy izy. Dia nandeha ny famaranana ary lasan'ny mpifaninana avy amin'ny firenen-kafa ny medaly volamena. Nangaina ireo rehetra nanantena. Fa taiza marina i Eric tamin'io fotoana io?

Tany am-piangonana izy nivavaka fa alahady ny andro ary kristiana efa nanolo-tena ho an'ny Tompo ny tovolahy.

Asa izay niafaran'ny tantara fa ny fantatra taty aoriana dia lasa misionera tany Azia atsinanana i Eric ary nahefa be tokoa ho an'ny Tompony.

Ambony kokoa ny azy ny medaly volamenan'ny lanitra noho ny medaly volamenan'ny tany.

Ary ny anao, antony inona re no mahasakana anao tsy ho any am-piangonana ny alahady e?

"Aza mahafoy ny fiarahantsika miangona". Heb 10:25

 
Tsindrio eto raha hamaky tantara hafa

 
Mofonaina anio Alakamisy 24 Janoary 2019



Raha tianao ny handray ny mofon'aina amin'ny alalan'ny mailaka isan'andro dia manasa anao hanindry eto.

     
Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara
Synodamparitany Antananarivo Atsimo
Fitandremana Ambohimanoa Alasora Betesda

Ny Mpitandrina
ANDRIAMALALA Zo Solofonirina
Tél : 033 11 454 92 – 032 02 667 38
Mail: zo.andriamalala@fjkm-alasora.mg

Rohy hafa:
FJKM Foibe
Sampana Fifohazana Foibe
FJKM Ampahibato Firaisana