Tantara natao ho an'ny ankizy
BAIBOLY ARO-BALA
 

Namonjy ahy ny Baiboly, hoy ity miaramila avy niatafika iray, fantatrareo hoe tamin'ny fomba ahoana? Tany am-bava ady izahay. Mandady mandroso, no injay aho nahatsapa dona mafy ary naharary tokoa. Fa inona no nitranga? Toy ny mahazatra ahy dia ao am-paosin-tratrako ny Baiboliko. Raha tsy io no nanohana ny balan'ny fahavalo dia nahavoa ny foko izany. Ratra ivelany ihany no nisy teo amin'ny tratrako ary sitrana vetivety.

 

Tanan'Andriamanitra no niaro ny aiko.

 

Namonjy ahy indroa io Baiboly goakam-bala io: ny voalohany, nitondra ahy ho eo amin'ny Mpamonjy ka miaro ny fanahiko tamin'ny balan'i Satana, ary ny faharoa niaro ahy tamin'ny balan'ny fahavalo ara-batana ka namelan'Andriamanitra ahy ho velona hitantara aminao ny fitondrany tsy takatry ny saina".

 

Ary ny anao mba ahoana?

 

"Jevovah hiaro anao na mivoaka na miditra". Sal 121:8

 
Tsindrio eto raha hamaky tantara hafa

 
Mofonaina anio Alakamisy 24 Janoary 2019



Raha tianao ny handray ny mofon'aina amin'ny alalan'ny mailaka isan'andro dia manasa anao hanindry eto.

     
Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara
Synodamparitany Antananarivo Atsimo
Fitandremana Ambohimanoa Alasora Betesda

Ny Mpitandrina
ANDRIAMALALA Zo Solofonirina
Tél : 033 11 454 92 – 032 02 667 38
Mail: zo.andriamalala@fjkm-alasora.mg

Rohy hafa:
FJKM Foibe
Sampana Fifohazana Foibe
FJKM Ampahibato Firaisana