Tantara natao ho an'ny ankizy
TSY MISY ZAVATRA AZOKO AO
 

"Ny Baiboly ve, tsy misy zavatra ho ahy ao", hoy i Pierre tamin'ity namany, "Tsy misy zavatra azoko rahateo ao".

Nieritreritra kely i Nicolas. Fantany fa miala olana fotsiny tsy te-hianatra Tenin'Andriamanitra i Pierre. Vao omaly anefa i Pierre no tsaroan'i Nicolas fa nitantara taminy fa nangala-paiso tao an-tsahan-dRakotoarisoa mpamboly voankazo.

 

- Misy zavatra tokony ho azon'ialahy ao ka tokony hianaran'ialahy koa ny hafa, hoy i Nicolas.

- Ny hoe ahaoana ohatra?, hoy i Pierre

- Ny hoe: "aza mangalatra".

 

Tsy niteny i Pierre, ilay hala-paiso tokoa vao omaly. Samy nangiana izy roalahy nanohy ny lalana mody. Nony hisaraka dia hoy i Nicolas: "Amin'ny Alahady izany leitsy a! Antsoiko maraina eo ialahy". Nihatoka fotsiny i Piette ho mariky ny fanekeny.

 

"Ny hendry mahataona olona". (Ohab 11:30)

 
Tsindrio eto raha hamaky tantara hafa

 
Mofonaina anio Alakamisy 24 Janoary 2019



Raha tianao ny handray ny mofon'aina amin'ny alalan'ny mailaka isan'andro dia manasa anao hanindry eto.

     
Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara
Synodamparitany Antananarivo Atsimo
Fitandremana Ambohimanoa Alasora Betesda

Ny Mpitandrina
ANDRIAMALALA Zo Solofonirina
Tél : 033 11 454 92 – 032 02 667 38
Mail: zo.andriamalala@fjkm-alasora.mg

Rohy hafa:
FJKM Foibe
Sampana Fifohazana Foibe
FJKM Ampahibato Firaisana