Tantara natao ho an'ny ankizy
SAINT VALENTIN
 

Tany Italie, fahizay, tao amin’ny tanàna iray atao hoe Terni, dia nisy Eveka anankiray tsara fanahy atao hoe Valentin. Na dia teo aza ny fandrarana ny fivavahana kristiana tamin’izany fotoana izany, dia tsy natahotra fa nanatanteraka ny asa maha-Eveka azy, ary tsy nitsahatra nanampy ireo mahantra maro be nila famonjena izy.
Ela ny ela, ren’ny mpitondra fanjakana ny momba azy, ary tsy ela akory dia voasambotra izy ary natao tany an-tranomaizina.
Tany an-tranony I Valentin, dia nanana voromahailala izay notezainy sy nozariny, tahaka ny alikakely mifankazatra amin’ny tompony. Rehefa tsy nahita an’I Valentin tao an-trano hono ilay voromahailala, dia lasa nandeha nanidina nitady azy hatraiza hatraiza, farany hitany ihany ny tranomaizina nisy azy. Dia tonga mitsidika azy ao foana hono ity vorona, sady mitondra felana voninkazo atao hoe “violety” avy eo an-tokotany, hoan’ny tompony ao am-ponja. Ireo felana violety ireo hono dia efa namboarin’I Valentin taloha nataony sary miendrika fo daholo ary dia nitondra izany isan’andro tany am-ponja ilay voromahailala. Ireny fela-boninkazo ireny hono no nanoratan’I Valentin hafatra ho an’ny namany sy ny olon-tiany, ary dia nataony teo amin’ny vozon’ny voromahailala, ary dia tonga tany amin’ny nandefasana azy ny hafatra.
Hay ve ka tantaran’olo-masina sy fitiavana madio ny Saint Valentin, fa tsy fijangajangàna sy fitiavana maloto e!

 
Tsindrio eto raha hamaky tantara hafa

 
Mofonaina anio Alakamisy 24 Janoary 2019



Raha tianao ny handray ny mofon'aina amin'ny alalan'ny mailaka isan'andro dia manasa anao hanindry eto.

     
Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara
Synodamparitany Antananarivo Atsimo
Fitandremana Ambohimanoa Alasora Betesda

Ny Mpitandrina
ANDRIAMALALA Zo Solofonirina
Tél : 033 11 454 92 – 032 02 667 38
Mail: zo.andriamalala@fjkm-alasora.mg

Rohy hafa:
FJKM Foibe
Sampana Fifohazana Foibe
FJKM Ampahibato Firaisana